TED Talks with Malagasy transcript

Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano

TED@Johannesburg

Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano
1,694,188 views

Raha iray kilometatra isan'andro no alehanao hahazoanao rano iray siny, toa ny ataon'ny olona an-tapitrisany eto an-tany, mety tsy ho lanianao handroana kosa angamba iny rano iny fa lafo vidy loatra. Mitantara ny fomba nahatongavany tamin'ny famoronany ity akora mora vidy, madio ary manamora fiainana: ny DryBath, fanosotra voalohany eto an-tany mahasolo ny fandroana, i Ludwick Marishane, mpianatra mpandraharaha vao erotrerony. Tantara mahatsikaiky ihany nefa mahavariana ihany koa.

Candy Chang: Alohan'ny hahafatesako, te-...

TEDGlobal 2012

Candy Chang: Alohan'ny hahafatesako, te-...
5,640,247 views

Ao amin'ny tananany ao Nouvelles-Orléans, i Candy Chang, mpanakanto sady TED Fellow dia nanova trano haolo iray ho lasa solaitra be ahafahana mamaly ilay fanontaniana hoe: « Alohan'ny hahafatesako, te- ___. » Ny valinten'ireo mpiray vodirindrina aminy dia mahagaga, mafonja ary misy mampihomehy, hany ka lasa fitaratra tsy nampoiziny. (Inona ary no valinteninao ?)

Eduardo Paes:  Ireo fitsipika 4 mikasika ny tanàn-dehibe

TED2012

Eduardo Paes: Ireo fitsipika 4 mikasika ny tanàn-dehibe
895,083 views

Eduardo Paes dia ben'ny tanana'i Rio de Janeiro, tànana hafa kely, sarotra atao, mahafinaritra ihany koa ary misy mponina 6.5 tapitrisa. Mizara hevitra efatra izy mikasika ny fitantanany ny tanàna -- sy ny tanàn-dehibe rehetra -- milaza ny ny hoavin'izy ireny izy, ary mizara fanapahan-kevitra lehibe (azo atao tsara) ho fanavaozana ny fotodrafitrasa ary koa ny fomba atao mba ho tanàn-dehibe "manara-penitra".

Rachel Pike: Ny siansa ao ambadik'ireo lohantenin-dahatsoratra mahakasika ny toetrandro

TEDGlobal 2009

Rachel Pike: Ny siansa ao ambadik'ireo lohantenin-dahatsoratra mahakasika ny toetrandro
787,904 views

Mandritry ny 4 minitra, no anomezan'i Rachel Pike, manam-pahaizana simista momba ny atmôsfera, sombitsombiny amin'ny ezaka goavana nahatongavana amin'ireo lohatenin-dahatsoratra mikasika ny fiovan'ny toetrandro, ataony miaraka amin'ny iray tarika aminy--tarika iray ao anatin'ny arivo mandray anjara--itantarany ny sidina mampidi-doza nataony ambonin'ny ala mando, mikatsaka môlekiola manan-danja anankiray.

Adam Grosser sy ny fampangatsiahana maharitra

TED2007

Adam Grosser sy ny fampangatsiahana maharitra
973,042 views

Adam Grosser dia hiresaka amintsika tetikasa fanamboarana vata fampangatsiahana tsy mampiasa herinaratra, ary hamatsy io fitaovana io amin'ireo tanàna sy ireo hopitaly samihafa eto an-tany. Avy amin'ny fandalinana teknolojia efa taloha be tany, dia nahaforona fitaovana mandeha izy.

Richard St. John's sy ireo Tsiambaratelon'ny Fahombiazana miisa 8

TED2005

Richard St. John's sy ireo Tsiambaratelon'ny Fahombiazana miisa 8
14,410,517 views

Fa Maninona ny olona no tafita ? satria ve izy ireo manan-tsaina? Sa ve izy ireo manambitana ? Tsia. Ny Mpikaroka Richard St. John dia nanao famintina 3 minitra amin-tsika amin'ny alalan'ity sary mihetsika ity. Fanadihadiana izay nataony nandritra ny taona maro ary hizarany amintsika "ny tena tsiambaratelon'ny fahombiazana"